Anao no nindramiko - Henri Ratsimbazafy

Henri Ratsimbazafy

Do dia Ab 4/4


1.
Ny fiainako manontolo
Hatramin'ny elabe,
Dia narindranao daholo
Na taiza no naleha,
Ka ny hany holazaiko,
Ny azoko hatao
Dia izay takatry ny saiko
No isaorako Anao

Fiv :
Fa na talenta, na fahaizana, na saina,
Sy izay rehetra nentiko ho nampiasaina,
Dia voninahitrao na dia toa kilalao
Fa tsy misy na iray aza avy amiko
Fa Anao ireny no nindramiko.

2.
Ny tongotro aman-tanako,
Ny feo, ny maso koa,
Izay lazaiko hoe fananako
Dia avy aminao avokoa.
Ka n'inon'inona lazaiko
N'inon'inona hatao
Dia tsy vokatry ny saiko
Fa fanomezana avy aminao. .

3.
'Zay rehetra nomenao ahy
Na ny saina, na ny fo,
Na ny tena, na ny fanahy
Mba hamasino avokoa
Mba oneno re ny foko
Tena ho tempolinao
Ary dia Ianao no antsoiko
N'inon'inona atao

4.
Dia iriko mba hitohy
'zany fitahiana izany
Na ho lava na ho fohy
Ny androm-piainako eto an-tany
Mba omeo ahy ny hery
Sy ny toky avy aminao
Fa raha izay izaho irery
Tsy hahavita izay hatao.