Andafiavaratra Tranovato - FANORO*

FANORO*

* FAly Anjaramanantsoa - NOelson Randriamanana - RO Andriamaneva


1- Najoro Ianao ry Andafiavaratra, Tranovato fiangonana
Mba hitory an'I Jeso Fototry ny Famonjena
Ary hanandratra avo koa, Masina ny Fiombonana
Ampanahy sy ao am-po hiarovana ny tena

2- Najoro Ianao ry Andafiavaratra, Tranovato Fiangonana
Hitaiza ny olona rehetra hanaiky ny Herin'Andriamanitra
Ary ny Hasin'ny Finoana no hanafy havononana
Ny taranaka rehetra mba hijoro sy haharitra

3- Najoro Ianao ry Andafiavaratra, Tranovato Fiangonana
Iraky ny Hery tsy hita, hanambara sy ho sahy
Ary hanolokolo saina ary koa fahaiza-mionona
Ka hamelona ao anaty, Finoana Masina am-panahy

ISAN'ANDININY/

Ny vanin'andro dia hiova
Ny Hasinao ho hita taratra
Fifankatiavana najoro
Dia hipetraka ho lova
Ry Tranovato Andafiavaratra
Haharitra fa tsy hikoro