Andeha Isika Hiaraka - Andrianarilala Honoré

Andrianarilala Honoré

https://www.facebook.com/mampianina.randriambahoaka/videos/1710878162701143

Do dia A 4/4 Mientanentana


ANDEHA ISIKA HIARAKA

{Hira fanentanana ny Hazakazaka Masina)

1. Jesoa Kristy no Mpamonjy
Tompo sy Andriamanitray
lanao no Filazantsara
'Lay tsy miova anio mandrakizay

Refrain: ANDEHA ARY ISIKA HIARAKA
HANOHY HATRANY HIHAZAKAZAKA
VONTOSY FILAZANTSARA
I MADAGASIKARA

2. Jesoa Kristy no Mpitondra
He! manainga antsika izao
"Miorena tsara aza miova"
Ry mpihazakazaka o! andao

3. Jesoa Kristy no Tsitoha
Monina eto mampifoha
Anao i Madagasikara lanao
manova ny tantara