HIra mikasika ny fiverenanan’ny Tompo, taratry ny I Tesaloniana 4:16-17
1- Ho avy ny fotoana iray tampoka (tampotampoka)
Ny maty dia hatsangana hiakatra
Ary ny velona hovàna tsy ho lo
Hamonjy eny amin’ny rahona avokoa.
Fiverenana: Andro fandraofana izay
Ho entina miakatra ambony izahay.
Ho avy hitsena antsika i Jesoa:
Hivantana any am-paradisa soa;
Manomboka eo ny mandrakizay
Ao amin’ny Fanjakan’ny Ray!
2- Tsy hisy intsony ranomaso latsaka (latsadatsaka)
Na sento na famoizam-po ho afaka,
Ho fifaliana sy tsiky, fiadanam-po:
Hidera tsy hitsahatra ny Ray Tsitoha
3- Hirao ny Sol-Fa amin’ny refy #1 - #4
Parampampam ….. amin’ny refy #5 - #8
Lalalala… amin’ny refy #9 - #12
Hamonjy eny amin’ny rahona avokoa.