Antema Fiderana - Henri Ratsimbazafy

Henri Ratsimbazafy

Do dia D 4/4


1. Tsy tambonay ho tantaraina ny fitiavanao anay
Ka ny Antema no hiraina ho Anao Jehovah Ray

Na dia tsy mendrika aza 'zahay mpanomponao
Dia efa voalaza fa tsy ho lavinao
Koa dera laza, hery haja, fanjakana sy hosana
Ho Anao Jehovah Ray, ho Anao mandrakizay

2. Ny asa izay ho tontosaina aoka ho ambininao
Ka tsy mba hisy very maina 'zao fiezakay izao

3. Ny lanitra ary koa ny tany dia mitory aminay
Ny herinao tsy mety lany Tomponay mandrakizay