Antso ho anao - Rajaonarivelo Germain

Rajaonarivelo Germain

Eb 3/4


1. Raha misy ratrampo na azom-pahoriana ianao
Dia làlana lalovana io mba hanefen'anao
Na dia mavesatra aza tsy anariana ny finoana
Ho maivana aminao rehefa Jesoa no antsoina

Tsarovy koa fa maro no mivavaka ho anao
Zay efa niharam-pahoriana mafy toy izao
Iray no nitokiany dia Jeso 'lay tsy mandao
Hampody ny aizindava ho maraina vaovao

Fiv :
Matetika, na sambany ianao, no iharam-pitsapana toy izao
Dia aoka hazava tsara fa misy tiany hambara
Fitiavana no anton'izao, sady efa antso ataony aminao
Ny hiovanao fo raha tsy fantatrao,
Valio zao antso izao

2. Na maloka aza ny andronao tsy mety mibaliaka
Mijery anao hatrany ange 'lay Andriamanitsika,
Mahay ny zavatra rehetr'izay tsy takatrao
Hampody ny aizindava ho maraina vaovao

Fiverenana

Isan'andininy 2 :
Farany : Ka manatsotra tanana'izy ta handray anao