ARY HOY i MARIA - Jimmy Lala

Page 1 / –
Chargement de la partition…
Jimmy Lala

Fanamarihana:
1-Hira voalohany (chorus IB) ao amin’ny Ôratôriô Krismasy.
2-Ny marika “ eo amin’ny refy 17 dia maka rivotra alohan’ny hihirana ny refy 17 satria mitohy lava be ny naoty, mifarana mihitsy ny refy 19 vao mijanona
2-Ny marika “IM” dia “intermezzo musicale”: misy filalaovan’ny orkestra ary miato aloha ny Chorus


Hoy ny anjely Gabriela:
Aza matahotra fa efa nahita fitia
Tamin’Andriamanitra ianao.
Ary indro hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy,
ary ny anarany dia ataonao hoe Jesoa

Ary hoy i Maria:
Ny foko mankalaza ny Tompo
Ary ny fanahiko, efa ravoravo
Tamin’Andriamanitra Mpamonjy ahy;

Fa efa nijery ny fahambanian-toetry ny ankizivaviny Izy.
Fa, indro, hatramin’ny ankehitriny
Dia ataon’ny taranaka rehetra ho sambatra aho.
Fa ny Mahery no efa nanao zavatra lehibe tamiko.
Ary hoy i Maria….