Ataon'Andriamanitra anie - Laurent RAKOTOMAMONJY

Laurent RAKOTOMAMONJY

Do dia C
Milamina
3/4


1.
Ataon'Andriamanitra anie 'zay rehetra tian'ny fonao
Na ny efa ela be na faniriana vaovao
Fa ataovy aloha 'zay mba takiany aminao
Aoka hifandray ny fonareo ny Azy sy ianao

2.
Mba ho tantereka aminao koa anie ny fifaliana
Ny fiainanao anie ho lavitry ny fijaliana
Fa katsaho aloha ny fanjakan'Ilay Tsitoha
Dia hanampy anao ny lanitra, ary minoa

3.
Mandaloo ady sarotra ve 'zany andronao izany
Tsy maintsy hatrehanao izy io satria lalan'ny tany
Nefa mitrakà fa mbola hisy andro maraina
Mivavaha fa mbola ao Jesoa, 'lay fotrotr'aina