Diovy aho - Inconnu

Inconnu

Key D


Diovy aho ho afa-pahotàna
Ny foko sy fanahy Jesosy ô mba havaozy
Sasao madio ho toy ny amparasily
Te hanana fanahy toy ny Anao aho

Lay ranao namonto vokovoko
Nitete nandriak'an-tany hay
No iriko nikoriana sy hiboika anatiko ao
Mba hanaisotra ny loto ao am-po
Zay nandrindrina ny foko tsy hivoha
Mba sasao Jeso 'zany fo sasao

Fa mavesatry ny ota tokoa
Mitabesatr'ao an-doha toy ny raho-mitatao
Zay manakona ny tavako Aminao sy manova ny hafaliako ho talaho

Diovy aho fa fefiky ny ota
Ny ota marobe maningotrany aiko
Meteza re Ianao mba ho fandio
Afahanao Jeso mankao am-poko