EFA TONGA NY FAHAZAVANAO - Derasoa RASOLOSATA Anjaratiana

Derasoa RASOLOSATA Anjaratiana

4/4 - Mientanentana tsara


1- Mitsangàna, mitoria ny teny soa
Mandehana dieny izao anio izao
Ny Fanahy Masin'ilay Ray Tsitoha
Homba sy hitantana ny dianao

2- Koa taomy ireo ondry mbola very
Sy izay rehetra reraka am-panahy
Aza kivy fa ianao anie tsy irery
F'efa manana mpiaro sy mpiahy

Réf: He mazava izao ny andro, mibaliaka tsara ery
Moa mba efa niomana ary ve ianao?
Ny antsoantson'ireo mino izay miventy hoe avia
F'efa tonga anie ny fahazavanao