Ekeko ny Herin'ny Teny - Akon'ny Lanitra

Akon'ny Lanitra

Do dia Fa


Endrey mahagaga sy mahatalanjona ny asanao re ry Mpahary
Vaka ny saina ka mitolagaga anivon'ny zavaboahary
Baliaka ny volana, tsiky ny andro, pariaka ny kinta'ireny
Misia hoy Hianao di nisy ary ireny
Ekeko ny herin'ny teny

Ny fiainana antany manarak'izany moa toa mivadibadika ihany
Vaka ny saina ka te haminany mba inona no anton'izany ?
Fa mamy ny hehy mangidy ny ratra mifangaroharo eny ombieny
Mihelina anefa, mandalo izy ireny
Ekeko ny herin'ny teny

Fa ny ranomasina, riana sy ony maria, nefa koa mety tony
Ny lemaka vohitra sy ny havoana lonaka
sy tany foana ny vorona sy voninkazo
Ny ahitra vato ary hazo, ny biby fiompy rehetra
mikasa tsy misy fetra
Ny olona kosa manjaka amin'ireny
Ekeko ny herin'ny teny