Fa ny fitiavana - Tojo RANDRIANAIVOJAONA

Tojo RANDRIANAIVOJAONA

Do dia A 3/4 Allegro Tempo 106


Ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra
Dia ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana
Fa ny fitiavana no lehibe indrindra, no lehibe amin'ireo
Tsy mba mety ho levona fa mandrakizay,
Haharitra mandrakizay

Ny fitiavana dia mahari-po sy mora fanahy
Tsy mialona tsy mirehareha tsy mihebohebo
Tsy manao izay tsy maha-mendrika

Ny fitiavana, fahamarinana
Fa mino sy mandefitra maharitra manantena
Ny zavatra rehetra