Faly dia faly (Ode to Joy) - Ludwig Van Beethoven

Ludwig Van Beethoven

Key F
Joyfull
Arr: Craig Mc Call
Ode à la joie
https://www.youtube.com/watch?v=mZ1RFShafK8


Faly dia faly izao izahay ry Tompo o
Tonga mba hanatitra ny fisaoranay Anao
Dera saotra laza hery raiso ry Mpamonjy o
Voninahitra sy haja hasina mandrakizay

He ny asa mahagaga taratry ny herinao
Masoandro manazava tany fivelomanay
Rahona mitondra rano rivotra iainanay
Samy manambara eto ny fitiavanao anay

Fa ny mahafaly indrindra dia ny nidinanao
Ka nanaiky mba hamela heloka sy otanay

Ny olombelona rehetra anie hifankatia
Ka hifaly lalandava amin'ny fitiavanao