Fiadanana - FF47 - ANDRIANAIVONIAINA Nirinasoa R.

ANDRIANAIVONIAINA Nirinasoa R.

Do dia Ab 6/4


1-Ianao ‘zay mitady ny fiadanan-tsoa
Amin’izao fiainana izao
Ka mandeha mankatsy, ary sy aroa
Mikorana ary koa milalao
Kanefa tsy mahita izay mahasoa
Fa vizana foana ny nofo
Inty misy Fiainana atoroko anao
Andramo dia hohitanao

Isan'andininy :
Jesosy, Jesosy, (Jesosy Tompo sy Mpamonjy tia)
No Fiainana atoroko Anao (Jeso)
Jesosy, Jesosy, (Jesosy Tompo sy Mpamonjy tia)
No hany hampiadana anao
Koa raiso Jesosy ho Tompo Mpamonjy
Hanapaka ny fiainanao
Dia hohitanao ’lay Fiadanana
Haharitra ho mandrakizay

2- Ianao ianjadiam-pahoria-marobe
Amin’izao fiainana izao
Tsy misy hazavana fo toa haizim-be
No mandrakotra ny fiainanao
Ka mila ho kivy sy hamoy fo
Noho ‘reo adim-piainana maro
Inty misy fiainana atoroko anao
Andramo dia hohitanao