Fiangonana mahataona sy mahatamana - SOLOFOARINAIVO Andoniaina

SOLOFOARINAIVO Andoniaina

Hira nahazo laharana faha-2 tamin'ny fifaninanana bà gasy FJKM, SPAA10. Nohirain'ny Antoko Mpihira Antsan'ny Fahazavana Ambohitrinibe.
nosoratan'i SOLOFOARINAIVO Andoniaina
Tonalité: A bémol


1°)(Fiangonana ô!) Fiangonana ô! homany ny hoavinao
(Ny Finoanao no hamafiso) ny Finoanao ampitomboy sy hatanjao
(fa ho avy e!) ho avy anie fotoam-pijinjana
(hipariaka ao lay taratra) hipariaka ao lay fahazavana

2°) (Ry namako ô!) Ry namako ô! andeha hifankatia.
(f'io anie no baikon'ny Tompo) io anie no baiko nomen'i Jeso tia
(fa ho avy e!) ho avy anie fotoam-pijinjana
(hipariaka ao lay taratra) hipariaka ao lay fahazavana

Ref: Ny lainao ampitomboy sy hatsarao
(Ny fiombonana) Ny fiombonana ao kolokoloy ho mafy orina tsy ho lao
(Ny tanjonao?) Ny tanjonao? filamatrao? mba hikezao, ho Fiangonana mahataona
(sy mahatamana e!) sy mahatamana.