Hiara-mandeha Aminao - William J. Kirkpatrick

William J. Kirkpatrick

Do dia C
Original : He hideth my soul
https://youtu.be/kBD9_b4umkM


1- Hiara-mandeha Aminao hatrizao
Jeso no iriko tokoa
O! raiso ny tanako hatsotra Aminao
Fa atolotro ny fo

Fiv : Handroso isan'andro na aiza aleha
Na mora na sarotra atao
Tsy hiala tokoa na hivadika re!
Ambara-pahatonga Aminao (2)

2- Hiara-miasa Aminao hatrizao
Hitady ireo zay very koa
Ka hanana fo antra toy ny Anao
Hanarina ny efa voa

3- Hiara-mitondra Aminao hatrizao
Ny hazofijaliana
Fa maivana izany raha Anilanao
Ka hody fifaliana