Ho Iraka - RAKOTONANAHARY Fanomezantsoa Haritiana

RAKOTONANAHARY Fanomezantsoa Haritiana

Do dia B 4/4 Mientanentana (T:110)

https://www.youtube.com/watch?v=_VZn7ZLEjEc


Mahagaga, maharavo raha ny fitiavanao
Tompo tsara, manan-jara aho manana Anao
Fifaliana, fitahiana no mbola narotsakao
Ka tratr’izao taom-pihobiana izao

Raha ny asa tamin’ny lasa no itodihana indray
Dia nalemy, tsy sahaza izahay
Nefa izany sento ihany, fa nomenao ny herinao
Tanteraka avokoa izay natao

Ka hihira aho, enyh hihoby ny anaranao
Ny dera sy ny haja koa, dia mendrika ho Anao
Eto koa no hanavaozako, fanolorantena vaovao
Tsy hiala Aminao Tompon'izao rehetra izao

Nefa mbola maro koa ireo tsy manaiky Anao
Fa minia tsy mahalala tsotr’izao
Vonona aho ho irakao, na ho mafy aza ho sahy
Tsy hihemotra hamonjy ny fanahy