Ho Voninahitrao - Liva RAKOTONDRATSIMBA

Liva RAKOTONDRATSIMBA

Liva RAKOTONDRATSIMBA, Do dia C /Moderato/ AMF- Choeuruni 2016 La Réunion


Tafahaona isika izao Ka hiredona indray
Fa adidy izay hatao Ho antsika iraky ny Ray
Fa hitondra hafatra izay feno fahendrena
Ilay teny mahasambatra sy toky nomena

Hira Fiderana sy Antema No atolotray izay manantena
Fa Jesosy 'lay nanolotena Tonga ho famonjena
Lay nandresy ny hazo fijaliana Fanavotana sy fitahiana
Ka ny teniny no hiara-hiraina Mendrika ho deraina

Zao hira faneva izao Hampiray anay tokoa
Hanadratanay Anao Ry Rainay Tsitoha

Arotsahy aminay ny Fanahy Masinao
Ka izay rehetra hataonay Mba Ho Voninahitrao !