Hody aho - Laurent Rakotomamonjy

Laurent Rakotomamonjy

DO DIA D
https://www.youtube.com/watch?v=DWKSzPQf0k0


Vorona taitram-basy aho ry devoly ka tsy hiverina intsony
Ka veloma mavasabesatra no apetrako ho anao
Leo ny mifotetaka amin'ny tany aho ka aleo mba hiakatra ambony
Ary hiaina amin'ny fiainantsoa mamiratra sy vaovao

Rovitra vori-damba ve no sisa navelan'ny fahotana
Ho tinafin'ny tenako efa reraka sy mahia
Hatramin'ny masoko aza no voarakotry ny aizin'ny fahajambana
Tsy nahita ny harato fandrika ka endrey nikodia

Hamantana tany foana toa havandra ririnina ianao satana
Raha toa mikasa ny mbola hiverina ato anatiko indray
Fa ny haizina be taloha efa voaroakan'ny taratry ny hazavana
Ahitako ilay lalan-tsara izay makany amin'ny Ray

Aza hitsahinao re ny lambako r'ingahy losifera fa ny andro hariva
Tsy te hiherika anao intsony aho f'efa leo sady fay
Efa injany fa re manako sy mikalo any ho any ny feon'antsiva
Miantsoantso zay mbola tara rehetra hody amin'izay

Tsenao amin'ny indrafonao aho Razoky Jesoa f'efa tonga saina
Atolory ny tananao raiso aho fa vizana re
Mifaly aho raha toa ka raisinao no tsy maty fo aman'aina
Ohatr'izay aho efa voatono tany anaty afobe !