Ilay Inoako - Bessa

Bessa

Do dia D 4/4


Ny Andriamanitra inoako,
Andriamanitra fitiavana
Tsy Andriamanitra masiaka mpanasazy
Tsy Andriamanitr’antoko, tsy mpanavaka foko
Tsy mpijery harena na fiaviam-pirenena,

Ny Andriamanitra inoako
hantra sady honena
Ka ny olona rehetra mahazo azy
Tsy mpizara alahelo, tsy mamorona helo
Fa Izy no FITIAVANA

Ny Andriamanitra inoako
Tompon'ny fahendrena
Te hanova izay ratsy mba ho tsara
Tsy mba faly manjera na revolisionera
Fa manarina hatrany ireo maditra eto an-tany

Ny Andriamanitra inoako
Andriamanitra Fitiavana
Tsy mba mila takalo fa mizara
Ny mandray izay omeny no hany fandreseny
Fa Izy no FITIAVANA

Choeur :
Ilay Inoako, Fitiavana
Mpamelona Hendry sy Mpamindra fo
Ilay Inoako, Fitiavana
Tsy manakalo fa mizara soa