Injany misy feo - Daniel RAKOTOARIVONY

Daniel RAKOTOARIVONY

Do dia D


Njany misy feo miantso anao izao
Moa mba mandre ny feo ianao
Ny Tompo no miantso anao izao ka mamalia re

Njany misy feo miantso anao izao
Jesosy ilay Mpamonjy tia
Mpanavotra anao miantso izao

Maro be ny adidy miandry anao
Ka mamalia ny antso re izao
Ny tenanao ny herinao ary koa ny fahazainao
Dia samy ilain'ny Tompo aminao
Ka atolory Azy re izao
Ka aza mba ho isan'ny mpandà ianao
Fa sao ho neninao

Jesosy miantso anao ka manatona izao
Fa sao ho neninao raha mandà ianao.