Isan'andro isan'andro - RAKOTO RAMIARANTSOA Jean Patrick

RAKOTO RAMIARANTSOA Jean Patrick

Do dia C 3/4 Gasigasy


Isaorana anie, isaorana anie ny Tompo
Izay mitondra ny entantsika isan'andro isan'andro
Eny Andriamanitra izay Famonjena antsika

Aoka ny firenena, ny firenen-drehetra hisaotra Azy
Hankalaza an'i Jehovah
Hihira fiderana, Hanao ny Haleloia
Izay manam-pofon'aina hanandratra Azy

Aoka izay amin'ny tany rehetra handohalika sy hiankohoka Aminy
Fa Jehovah no Tompo Tsitoha
Izay manam-pofon'aina hanandratra Azy