Do dia F
Dec 94
1- Tahaka ny masoandro
     Mamiratra tsar(a) izao
     Ka manazava ny andro
     Na takon-drahona tao
         Tahak(a) izany Jeso
          Mpamonjy velon(a) indray
          Ry olombelona o 
          Derao Izy mandrakizay.....    Derainay Ianao Jesosy o, Derainay Ianao...
2- Ny Saotra Dera Laza
    Ho Azy hatramin'izao
    Fa na ny fasana aza
    Dia foana, vaky sy lao
           Ry fahafatesana o 
           Nankaiza ny herinao?
           Tsy resinao Jeso 
           Tsy voagejanao izao .........          Derainay Ianao Jesosy o, Derainay Ianao.
3- Ry Jesosy Mpamomjy
    Arovy ny mino Anao
    Fa maro ny milonjy
    Vesaran'ny ota natao
              Ka ny Fanahinao
              Mba hanazava ny fo
              Sy Homba ny atao
              Na inona no manjo...... Derainay Ianao Jesosy o, Derainay Ianao.........