Kalvary - Tanora Masina Itaosy

Tanora Masina Itaosy

Do dia Ab
https://www.youtube.com/watch?v=vIkoC5wwKf8


Isaky ny maheno aho
Na mahita soratra hoe (Kalvary)
Dia tsaroko Ianao Kristy nijaly
Nihari-pery tsy namaly
Nalatsa-drà Ianao
Noho ireo hakason’ny tany Jesosy ôôô!
Nampandefitra ambom-po Ianao
Nefa dia afaka
Nanaisotra jaly
Ho an’ny tenanao

Tsy mba zakan’olombelona
Izay nihatra taminao
Ary tsorina fa ny ainao mihitsy
No natao sorona Jesosy ô!
Mafaitra loatra re Jesosy
izany ka ny mba hany azoko atao
dia Inty ny foko homeko Anao izao

Mahonena ny fo tokoa
Ny nahazo Anao ry Tompo (fa nombohina)
Omeo hery aho mba tsy ho lefy
Hiasa tsy hihoatra ny fefy
Mba hamelomako
Ny anaranao ry Kristy Mpandresy
Ilay nahafoy ny ainy ho ahy
Hiasa ho anao maharitra
Mba tsy ho sasatra
Na hoe hitaraina
Reraka aho Tompo ô!