K(I)RISMASY FAMONJENA - Jimmy Lala

Jimmy Lala

Hira Krismasy. Araho ny toro-dalana voasoratra eo amin’ny Sol-Fa


1-
K(i)risimasy famonjena, Andro firavoravoana.
Andro iray izay efa nekena, Mba hifaliana isan-taona.
Ka mifety sy faly avokoa, Mamono gisa sy akoho,
Ny henan-kisoa ary ny vorombe, Fety mantsy ny andro s’ise!
Misy ny mividy akanjo, Hiavahana amin’ity andro,
Misy ny manao kiraro vaovao, Ny ankizy mandray kilalao.
Nefa samy manana ny fihariany (Samy manana ny fihariany)
Ny tsi-fahatakarana tsy ifanomezana tsiny,
Ary izao koa anefa no ataovy an-tsaina
Tsy fihetsiketsehana koa sombiniaina
Na zavatra entina (no tena ahazoana), Ahazoam-pamonjena,
Fa fiainam-baovao no atolotra anao: Raiso anio izao!

2-
K(i)rismasy famonjena, Noelim-piravoravoana.
Fetim-piangonana nefa ny rehetra, Faly midoboka aponga.
Maria, Josefa tao Betilehema, Tsy nisy mba nampiantrano,
Ka tsy fahitr’omby maloto àry moa, No mba nandraisana an’i Jesoa!
Io Ilay Zaza Mpanjaka, Andriamanitra nandao ny lapa,
Andeha àry re manetritena, Fa tsy ho variana manjena.
Ny sasany dia mibirioka mitraingo (Eny dia mibirioka mitraingo)
Ny etsy variana amin’ny fampiderana haingo,
Ny migoka, miloka, mifoka rongony
Ny hafa dia tsy tafatsangana intsony.
Noely no ankalazaina (teraka ny Mpamonjy), Famonjena ny aina;
E! fiainam-baovao hamonjena ny fanahinao: Jesoa tonga ho anao!
# Izy ange tia anao!
# Ho voavonjy ianao!