Mainka koa - Georges ANDRIAMANATENA

Georges ANDRIAMANATENA

Do dia F 6/8


Izay mba faniriako dia notovinao
Ny zavatra mba tiako tsy nolavinao
Ny foko izao mitraotra hidera sy hisaotra
Anao ry Tompo tia misaotra fa satria

Ny vavako voavaly, ny foko tena faly
Satria tia ahy Ianao, ka ao anatiko ao
Dia mainka koa mitombo ny fahatokiako Anao
Dia mainka koa mitombo ny finoako Anao

Fa nisy faniriako tsy notovinao
He nisy koa mba tiako fa nolavinao
Kanefa tsy sendaotra mainka koa misaotra
Anao ry Tompo tia misaotra fa satria

Ny faniram-boarara vao mainka manambara
Fa tena tia Ianao, ka ao anatiko ao
Dia mainka koa mitombo ny fahatokiako Anao
Dia mainka koa mitombo ny finoako Anao