Mifalia ao amin'ny Tompo ! - Rémi de Simon Clair RAJOELIARISOA

Rémi de Simon Clair RAJOELIARISOA

Tonony : Pasteur Josoa RAKOTONIRAINY
Le Port, La Réunion, 24 aprily 2008
Do dia C 4/4


Mifalia, mifalia hatrany !
Ao amin'ny Tompo mifalia !
Koa ialao ny tomany,
Ny sento koa ataovy sanatria !

Fanasana fetim-pifaliana
No andrasana ny very hita indray
Tsy misy izay fahoriana
Hanjo izay tena ao amin'ny Ray

Noho ny ran'i Kristy Tompo soa
Ny Ray mandray antsika tokoa

Koa nahoana no tsy hifaly
Sy hiravo amin-kira sy ny dihy ?
Dia fenoy tsiky faly
Ny lalam-pihavanantsika ety