Mijoroa - Tojo RANDRIANAIVOJAONA

Tojo RANDRIANAIVOJAONA

Do dia F# Salegy


Raha toa ny fisainana mifanaraka
Dia tsotra ny fiainana tsy mandreraka
Mitovy fijery miara mamindra eny
Milamina ny tany tsy misy adiady izany

Kanefa tsy mora ny miray hina hatrany
Toa samihafa ny fisainana ety an-tany
Samy mihevitra tsy ho diso mahalasa vinany

Ref: Dia hihemotra ve raha misy disadisa
Iray lalana isika ny tanjona hiara-hamita
Diniho izay lamina hampandroso
Ny fanjakan'Jehovah Tompo
Ny ety indray tsy ilaozan izay hevitra tsy mitovy
Hakino amin'ny Ray izay hampiala ny ahiahy

Mihainoa ny hevitry ny hafa
Kanefa tsy mba hiafahafa
Mazotoa hiasa am-pahamarinana
Tsy ho doria ity tany fandalovana
Mitafia fanahy finoana an'i Kristy
Mijoroa vavolombelon' i Jesoa

Aza menatra ny hitaona hivavaka
F'Isika tsy mba naman'izay mihemotra
Ny fanaovan-tsoa tsy indray tsy indroa
Tsy hiandry valisoa voa hirotsaka hanasoa
Ny fiainana an tany dia tsy ambony tsy ambany
Fa misy ny fifaliana misy koa ny tomany
Misy tsiparifary misy koa ny vary