Momba ahy ianao - Christian RATOANINA

Christian RATOANINA

11ème Choralie (2010) - AMF (Antoko Mpihira eto Frantsa)
Do dia D
3/4
Milantolanto
Rohy: http://choeuruni.net/mediatheque/m/momba-ahy-ianao


1.Zanahary Tompo ô, Raiko be fiantra!
He, nofenoinao ny hasoavanao
mahagaga!
'zaho kely indrindra amin' ny mahantra
Ka irahinao hamonjy 'reo miandrandra Anao.

Isan'andininy
He, ny hasambarako! Tsy manantaho aho
Ny fo matoky fa momba ahy Ianao,
Momba ahy tokoa!

2.Lao ny fahoriako sy ny hakiviako;
Nasehonao ahy ny herin' ny Fanahy
Ka nandresy!
Resy ny mpandoza
Indro koa niova
Ho fananenana mamy ireo nofinofy

3.Eo an- tananao 'reo androko lasa
Fa ny ampitsoko ataovy henitsoa
Iravoako e!
Dia hamoa hatrany raha mandroso taona
Ka ny zanaka mandimby hahatsangy ny ary