MPANJAKAKO JESOA - Jimmy Lala / William Runyan

Jimmy Lala / William Runyan

Notsoahina avy amin’ny Fitomaniana 3:22-24. Araho araka izay fihetseham-po sy fitaritan’ny Fanahy ny fihiràna azy.


1-
Tsy menatra aho hoe manana Tompo
Tia ahy sy tiako, fifaliako
Ny androko rehetra omeko ho Azy
Fa efa novidiany ka Azy

2-
Raha tsy mbola mba anananao
Indro ny Tompoko koa tia anao
Koa antsoy Izy sy iresaho
Dia hotolorany fo vaovao.

3-
Ny fanarahana eso sy latsa,
Dia lalan-tsarotra tsy mora koa,
Zioga sy fanenjehana mandratra:
Tsy olana satria tia ahy Jesoa.

4-
Mihavao isa-maraina ny tontolo
Fahamarinanao tsy voasolo,
Tsy mba miova maharitra doria
Tsara Hianao ka ekeko satria:

Fiverenana:
Mpanjakako Jesoa
Tompo Mpamindra fo
Azoko antoka fa tsy mandao!
Na dia mpanota aza aho vao mainka tiany,
Misaotra Anao Jesoa Mpamonjiko.