Nahoana No Ratraina - Jimmy Lala

Jimmy Lala

(1)-Atomboka amin’ny “Fiverenana -refrain-” ny hira.
(2)-Ny feo fahatelo dia mizara roa, izany hoe misy feo dimy izany ny harmonia.
(3)-Ny andininy fahateo dia {duo} hita eo ambany ny Sol-Fa
(4)-Azo hatao hira Paska ny hira


Fiverenana:
Nahoana no ratraina sy ampijaliana?
Nahoana koa no ampitondrainao fahoriana?
Noho ny fitiavany anao no nijaliany
Sy nitomaniany anao!

1° (solo vehivavy)
Ny vady sy ny zanakao, ny harenanao,
Asondrotrao ambony dia variana eo ianao,
Ilaozanao ny Tompo, Mpamonjy tia:
Nahoana, nahoana re!

2° (solo lehilahy)
Nahoana no mibanjina sy sondriana ety
Fa tsy mba mieritreritra ny fiainana ary,
Hadinonao ny Tompo, Mpamonjy tia:
Modia, modia re!

3° (duo)
Natolony ny ainy ho famonjena anao,
Nalatsany ny rany ho fanavotana anao,
Aza hodiana tsy re ny antsony hoe:
Mba miverena re!