Ny Ahy Jehovah - Laurent RAKOTOMAMONJY

Laurent RAKOTOMAMONJY

Do dia A


Hanaraka Anao no nofinidiko
Hitoetra anilanao no mba safidiko
Dia Ianao Andriamanitra Ray be fitiavana ô
Efa nihanteherako, eny hatram'izay
Ka ho mandrakizay

Maro ireo milaza fa mahery ny sampiny
Ka mamonjy azy, manasitrana ny aretiny
Na dia vatan-kazo moana aza
Hajainy sy tompoiny foana
Na dia tsy mandre koa aza
Hiankohofany, f'aminy manan-daza

Fa ny ahy Ilay mba nofidiko dia Jehovah
Ilay efa nisy hatramin'izay ka mbola tsy niova
Tompon'izao tontolo izao sy ny any an-danitra
Tompoiko izaho sy ny ankohonako
F'Izy no tena Andriamanitra