Ny Fitsangananao - RANDRIAMANANA Noelson

RANDRIAMANANA Noelson

Solo Lehilahy misy choeur manao feo lafika...Ouuuuuuh...
CHOEUR ny isan'andininy


1- Ny Fitsangananao tao anaty fasana....
Miteny aminay ny mari-panavaozana
Manadio anay 'reo zavatra efa lasana...
Ny fahotana vita navela sy nilaozana
2- Ny Fitsangananao dia mari-pandresena
Taratra ho an'olo-manan-kijoroana
Ny Hazofijaliana raha tahiny jerena
Mitory am-panahy ny Herin'ny Finoana
3- Ny Fitsangananao dia manambara Hery
Ho an'ny rehetra ho fiainam-baovao
Famonjena ny olona mba tsy hisy ho very
Fa Mari-pitiavana ny Fitsangananao...