Ray Mahery - ANDRIAMAMONJY

ANDRIAMAMONJY

Do


1
Lehibe sy mahagaga ny fitiavanao
Ny fonay ravoravo, te hidera Anao,
Ry Ray izao fotoana anio izao atreho ka mba tahio
Ny vavaka ataonay Tompo mba valio

2
Marobe ny olona 'zay lavitra Anao,
Voafatotr'i satana, ka sondrian-tory ao
'Reo namanay 'zay ory koa todiho sy jereo
Mitenena Ianao mba ho afaka ireo

3
Tompo ô, ombay ny fanahinao 'zahay,
Hahatontosa ireo adidy eo an-tsorokay
He, fantatrao fa mbola votsa sy malemy koa
Ny sandrinao hiankinanay, herinay tokoa