L’aperçu de la partition n’a pas pu être affiché.
Ouvrir le PDFFa hoy Ianao hoe tsy maintsy hijaly Ianao
Ary ho faty noho ny ota
Kanefa koa, raha afaka hateloana dia hitsangana
Nisy tsy nety nino, nisy tsy nanam-po
Kanjo tanterakao 'lay teny izay nomenao
Taiza moa 'zahay Jesoa ô! Toy izay
Raha nilaozanao noho ireo otanay
Saingy tsy foinao Jesoa ô! izahay
Fa navotanao hody soa amin-dRay
Ankehitriny, vita ny avotra
Ary tontosa ny famonjena
Tsy naharesy Ilay Maherinay ny fahafatesana
Saingy mbola malemy sy kanosa izahay
Mbola tsy sahy mijoro, ka todiho sy jereo