Tadiavo Jesoa - R. Carmichael - Bessa

R. Carmichael - Bessa

Do dia G 3/4


Moa ny entanao ve mila tsy ho zakanao
Fa mandia irery lalan-tsarotra ianao ?
Mahatsiaro very sy mahantra ve ianao ?
Jesoa no antsoy, Izy hanampy anao

Izay vavakao, teny avy ao am-po reny avokoa
Ka valiany ianao, isan'andro izao, asiany soa
Raha sendra manjo, tadidio f'izao atao
Tadiavo Jesoa, Izy mitady anao

Ny fiainano ve mampivadik'atidoha
Ny ho avinao ve tsy azo antenaina koa ?
Efa mila hamoy fo sady kivy ve ianao?
Jesoa no antsoy, 'zao ankehitriny izao

Izay vavakao, teny avy ao am-po reny avokoa
Ka valiany ianao, isan'andro izao, asiany soa
Raha sendra manjo, tadidio f'izao atao
Tadiavo Jesoa, Izy mitady anao