Tompo o henoy - Solofo ANDRIAMAHENINJAFY / Mamy RAMBELOMANANA

Solofo ANDRIAMAHENINJAFY / Mamy RAMBELOMANANA

https://www.youtube.com/watch?v=_qyei9RX_oo

Novelomin'ny Mpitory
Do dia D 3/4


Tompo o! Henoy izao
Fitarainako izao
Fa mitady anao
Maniry ny ho eo anilanao izaho

Ny akaikinao ry Tompo
No mba mamiko izao
Lavi-pahoriana
Feno fiadanana

Fa izao tontolo izao
Miovaova hatrany hatrany
Maro koa ny fahavalo
Mety hamono ny fanahy

Raha eo ianao ry Tompo
Tsy mba hisy ahiahy
Tompo malala o! Meteza ianao
Tompo malala o! Meteza ianao