Ampaherezo - Antoko mpihira

Antoko mpihira


Ampaherezo

Tompo Ô ampaherezo 'zahay
Amin'ny Ady izay hatrehanay ety....
Ny herinao irery no iankinanay
Ho mpandresy tokoa izahay

1-Indraindray anie izahay mora kivy tokoa
Raha sendra ka mafy ny manjo(Tompo Ô)
Tompo ô aza avela irery tantanonao Sao very
Ety ny zanakao

2-Ô ampaherezonao mba tsy hitanondrika
Fa hitetraka sy hibanjina(Tompo Ô)
Tompo ô aza avela irery tantanonao Sao very
Ety ny zanakao

Nampiditra:Rabefitia Mianoka f.t
                     (Fytam's kwelly)