Didy Vaovao - J. RAKOTONDRAZAKA

J. RAKOTONDRAZAKA

Do dia G 4/4 Bà gasy

https://www.youtube.com/watch?v=rcvlVOI7G8I


Indro didy ankiray napetraky ny Tompo
Ho antsika rehetra mbola velona
Dia ny mba hifankatiavan-tsika tsara
Tahaka izay nitiavany antsika
F’izany tokoa no hafantarana
Fa mpianany isika raha mifankatia
Eny, mpianany isika mpianany tokoa
Amin ’ny androntsika rehetra

Iza tokoa no manana fitiavana dia ny fitiavan’ i Jesosy
Mba hanavotana ireo sakaiza nikasa nanolotra ny ainy
Iza tokoa, ô Iza re izany ô!
Iza tokoa no mba nahavita izany
Fa ao ny Tompo hanaisotra ny fahotany

Zay no didy napetrany ho antsika
Ho antsika rehetra velona eto
Ary aoka ny fo hahay hifamela
F’izany tokoa no mpianatry ny Tompo
Fa izy dia momba izay matoky azy
Amin’ny androny sisa rehetra