Fa tsara Ianao - Anja Ratsimbazafy

Anja Ratsimbazafy

Do dia F 4/4


Hidera ny anaranao 'zahay amin'izay rehetra atao
Hitsaoka hankalaza ny Ray, hanandratra ny voninahitrao
Tsy hainay re ny hangina, tsy hisaotra ry Ray
Fa e! tsy mba novidiana zay nomena anay

Asandratray ho any Aminao, asandratray ka raiso izao
Ny hira soa fiderana, haleloia e! hosana

E! maminay tokoa re ry Ray, zany midera Anao eto indray
Fa fitahiana tsy ho lany, omenao ny miaina eto an-tany