Fahiny - Naly RAKOTOFIRINGA

Naly RAKOTOFIRINGA

Do dia F# 4/4


Fahiny 'ndray andro izay
Nisy feon'anjely maro be
Nihira hoe, nilaza hoe :
Tonga ny Mesia, mifalia
Ouh ouh ouh

Tsy tany an-dapasoa
Na toera-manan-daza koa
No nahaterahan'Ilay Tompo be fitia
Fa tao an-tranon'omby no teraka I Kristy

Noely, Noely, mihoby anao ny anjely
Ny ety an-tany mankalaza anao ry Noely
Noely, Noely, mihoby anao ny anjely
Anio no andro fanavotana Noely

Tonga ny Krismasy ry Malagasy
Izao tontolo izao miara-paly aminao
Miara-paly aminao x2