Indro Atolotro... - RANDRIAMANANA NOELSON

RANDRIAMANANA NOELSON

Do dia Eb


1- Tsy mba volam tsy harena mba hananako Jesoa
Tsy vatosoa, tsy volamena 'zay hoe 'loharanon-tsoa'
Tsy voninahitra, tsy laza hananako mba hatolotra
Mba ho setrin'Ilay Ainao foy nataonao Onitra!

Fa izao tontolo izao moa tsy efa resinao?
Na ny tany misy anay dia fitoeran-tongotrao?
Ny Lanitra Fonenanao, Lehibe tsy takatray
Nefa dia omaninao mba ho fonenanay!

2- Inona ary no homeko ho valin'ny Fitiavanao?
N'inon'inona ekeko raha toa ho Sitrakao
Fa sarobidy tamiko ny afa-mahalala indray
Hoe azo atao ny manantena 'Fiainana mandrakizay'!

3- Indro atolotro Anao izay fananako rehetra
Sy ny haiko* sy ny tenako ho fiasanao tsy voafetra
Fa na tsy mendrika aza Tompo o, malemy be siasia
Hanehoy ny Voninahitrao aho re ry Raiko Tia!