Iriko ianao ry Noely - Bessa / Rakotomanga

Bessa / Rakotomanga

Do dia A na G


Iriko ianao ry Noely amin'ity indray mandeha ity
Ho Noely hafa kely noho izay fahitako tety

Tsy hisy intsony ny mahantra
Kanefa maro ny be harena
Ny voin'ny hafa hatao fiantra ny hafa anie ho toy ny tena

O avela famonoana
Satria mainty na mavo na mena
Samy liana, samy liana
Fiadanan’aina vaovao

Ho fafana ranomaso
Noho ny ady
Ny ady etsy sy eroa
Tapitr’eo ny andraso
Hiaina, hiaina sambatr’avokoa