Iriko indrindra - Faneva RAMANAMPAMONJY

Faneva RAMANAMPAMONJY

Miadana


Iriko indrindra Jesosy ô !
Hiara-mandresy Aminao
Tahaka ilay ora nandresenao
‘lay fahafatesana
Tsy ho azon’ireo izay maka fanahy
Tsy voahozongozona
Fototry ilay finoana ao anatiko
Ny fitsangananao

Ka rehefa tonga Jesosy ô !
‘Lay ora hanadinanao ahy
Dia mbola ho tsaroako am-poko Jeso
‘Lay fitiavanao
Ny nanekenao hissolo ny toeran’ireo olo-meloka
Mba hahazoany mandova ‘lay fiainana
‘Lay Paradisa soa