Isaky ny fifaliana - S.A.D Ramarokoto

S.A.D Ramarokoto


Isaky ny fifaliana

1-isaky ny fifaliana izay natolotrao
   Isaky ny fitahiana izay narotsakao
   Isaky ny tonon-taona fanambinanao
   Isaky ny fararano fanomezanao
   Raha nivavaka aho Jesoa dia nihaino ahy Ianao
   Raha nangataka aho Jesoa dia novaliana
   Raha nifona nitalaho Dia eh navelanao
   Raha niantso aho ry Tompo dia namaly ianao
   Raha nisaotra koa dia eh nankasitrahanao

2-Isaky ny fitapana hitako hatriz'ao
   Isaky ny hadalana mety ho Natao
   Isaky ny tebiteby nifamahofaho
   Isaky ny fahoriana izay nasedranao
   Raha nivavaka aho Jesoa dia nihaino ahy Ianao
   Raha nangataka aho Jesoa dia novaliana
   Raha nifona nitalaho Dia eh navelanao
   Raha niantso aho ry Tompo dia namaly ianao
   Raha nisaotra koa dia eh nankasitrahanao

3-Mino aho fa n'Aiza n'Aiza hiantsoako Anao
   Mino aho fa na miasa na milalao
   N'eny An-dalan'eny na aty an-tranonao
   N'amin'alina mangina na marina vao
   Raha hivavaka aho Jesoa dia hihaino ahy Ianao
   Raha hangataka aho Jesoa dia ho valianao
   Raha hifona hitalaho Dia eh havelanao
   Raha hiantso aho ry Tompo dia hamaly Ianao
   Raha hisaotra koa dia eh hankasitrahanao

Nampiditra:Rabefitia Mianoka f.t
                    (fytam's kwelly)