Izao Noely izao - Tojo RANDRIANAIVOJAONA

Tojo RANDRIANAIVOJAONA

https://youtu.be/qeZ3sgZOr9Q?si=LQZGJ2JVQFkJUC_p

Do dia C


Tonga 'lay zazakely, 'lay zanaky ny Ray
Mifaly ireo anjely, rebika tsy manahy
Fa Jesoa ilay Mesia, tonga hanavotra
Ho antsika izay mania, mpanota sasatra

Tsy ho toy ny teo aloha, izao Noely izao
Fa hitondra zava-tsoa ho fanantenana ho ahy sy ho anao
Ka tsy akanjo soa sy ny endrika ivelany ihany
No hanehoana ny ao am-po, fa ny fanahy sy fanaovan-tsoa

Irianay mba hitoetra izao hafaliana izao
Ny fiaianay rehetra toy izao Noely izao
Ndeha hidera sy hihoby, Mpanjaka lehibe
Teraka an-tranon'omby ka mba meteza re