Jesoa Mpanazava - RANDRIAMANANA Noelson

RANDRIAMANANA Noelson

Do dia F
Dec 94


1- Tahaka ny masoandro
Mamiratra tsar(a) izao
Ka manazava ny andro
Na takon-drahona tao
Tahak(a) izany Jeso
Mpamonjy velon(a) indray
Ry olombelona o
Derao Izy mandrakizay..... Derainay Ianao Jesosy o, Derainay Ianao...
2- Ny Saotra Dera Laza
Ho Azy hatramin'izao
Fa na ny fasana aza
Dia foana, vaky sy lao
Ry fahafatesana o
Nankaiza ny herinao?
Tsy resinao Jeso
Tsy voagejanao izao ......... Derainay Ianao Jesosy o, Derainay Ianao.
3- Ry Jesosy Mpamomjy
Arovy ny mino Anao
Fa maro ny milonjy
Vesaran'ny ota natao
Ka ny Fanahinao
Mba hanazava ny fo
Sy Homba ny atao
Na inona no manjo...... Derainay Ianao Jesosy o, Derainay Ianao.........