Malagasy o - Antoko mpihira

Antoko mpihira


Malagasy ô

1-Ry olona ô Henoy anie 'zao hir' izao
Feo miantso anao hoe aiza ianao?
Malagasy namako ô mandrenesa
(fa Mila) Mila anao re Mila anao ny taninao

2-havako ô fantatrao ve F'efa akaiky
Ilay Mpamonjy lehibe jesoa tia
Mbola maro ireo Havanao tady ho very
(ka Mila) Mila Vonjy Mila Vonjy aminao

3-Tompo ô ô mamelà ny otanay
Aza avelanao irery izahay
Reo mpitondra Anay anie mba tantano
(mba tohano) mba tohano tsy hihemotr'izahay

Isan'andininy:Malagasy ô aok'isika hifankatia fa
Nosy iray anie ity tany ity
Andriamanitra tsy Tia ny fifandrafiana
Ny mifankatia (no sitra) sitrany

Nampiditra:Rabefitia Mianoka f.t
(fytam's kwelly)