Manana Anjara - Tojo Randrianaivojaona

Tojo Randrianaivojaona

Do dia D 12/8


Manana anjara fifaliana
Izao tontolo izao fa ao Betlehema ao
No teraka ny Mesia 'lay Tompo Tsitoha
Ho famonjena, hanafaka

Avia re, hanandra-peo
Mba hanambara eran-tany
Ny vaovao mahafaly
Efa tonga izao Kristy

Avia re hanofahofa tànana
Voninahitra asandratro amin'ny avo indrindra
Fiadanana ho ety an-tany
No hany ankasitrahany

Hafaliam-be he, tsy voarefy
Fa fanantenana no ao anaty
Mendrika ho deraina ankalazaina
Fa lehibe tokoa ny fitiavany

Ho haleloia dera ry Ray
Haja sy hery no atolotray

S: Oh fifaliana, ravo tokoa
Faly hankalaza ny Mesia Jesoa

T: Endrey zany fifaliana, endrika falifaly
No entina mankalaza ny Mesia Jesoa