MIFALIA NAHAVITA - Jimmy Lala

Jimmy Lala

Hira fanaovam-beloma mpitandrina na mpampianatra na diakona na izay nanana anjara fitaizam-panahy ka handeha hifindra na koa hisotro ronono. (angamba tsy dia mety kosa raha atao amin’ny fandevenana e, asa anefa!)


1-Andro lehibe tokoa ny toy izao
Ho fankasitrahana (izay nahavita soa)
Entina hisaorana Ilay Nahary
Sy nitari-dalana

Fiverenana:
Mifalia nahavita
Ny adidy anjaranao
Sambatra fa nahita
Ny fahavitan’ny asanao.

2- Maro be ny andro efa nifanesy
Niarahana tety (namahanana anay)
Nifandimby teo ny soa sy ny ratsy
Tsy nanakana ny dia

3- ‘Zahay efa nahazo fiainam-baovao
Mahafaly ô! Jereo (manana ny Tompo izao)
Matokia fa tsy hiova tsy handao
Na dia tsy eo aza ianareo

4- Ny fiadanan’Andriamanitra tsy foana
Homba anareo doria (mandrakizay doria)
Ka isika rehetra irina mbola hihaona
Rehefa lasana ary.